Mage 4 – Roa Ho Iray Lyrics

Nihezaka teny foana aho
Ny anatona anao
Te hanarina ireo tsy nety
Nandratra ny tao anatinao tao

Mbola zaza fanahy aho tamin'ireny
Tsy matotra na toetra na fiteny
Ny ambo koa tsy voafehy
Nandrava ny antsika

Hay lay toerako tao aminao
Tsy lasa fa mbola niandry
F'ianao ninia tsy nampiseho hoe mbola tia
Yeah

Ka hiara-dalana indray
Foa roa vaoavao no hitempo iray
Hifampitantana ...
Ka hiara-dalana indray
Foa roa vaoavao no hitempo iray
Hifampitantana ... Mandrakizay

Tsy misy na ny iray aza hatramin'izao
Nahafafa ny fitiavako tsy ho anao
Ny hanitrao toa manaraka eny foana
'Reo nofy tsy ho tantaraiko intsony

Hiriko hoe ny hisian'ny andro iray
Hanorenantsika indray
Ilay edena vaovao
Lavitry ny adalana

Hay lay toerako tao aminao
Tsy lasa fa mbola miandry
F'ianao ninia tsy nampiseho hoe mbola tia
Yeah

Ka hiara-dalana indray
Foa roa vaoavao no hitempo iray
Hifampitantana ...
Ka hiara-dalana indray
Foa roa vaoavao no hitempo iray
Hifampitantana
Mandrakizay ...

Hifampitantana ...

Ka hiara-dalana indray
Foa roa vaoavao no hitempo iray
Hifampitantana
Mandrakizay... yeah

Comments (0)