Mage 4 – Aina Iray Lyrics

Sitrana aho raha toa ka ianao
No miara-miaina ao anatiko ao
Satria tsy ho ritra
Ny rà mikoriana ao

Izay lalako no ho diavinao
Ny tanako no ho tantananao
Ka tsy ho irery aho
Tsy ho very mandrakizay

Izay lazainao no teny mamy ho ahy
Izay vohainao no idirako
Ho feno avokoa ireo banga taloha
Ho fiainam-baovao ihany koa
Satria olon-droa no handeha hiray fo
Tsy mety ho levona ilay fitia
Hilaozana avokoa ireo ditran'ny fo
Fifandeferana no ao aloha
Ho haiko ny hitaiza ny ao anatiko ao
Fa aina iray no natao ho anay roa

Mambabo ho ahy ny hatsaranao
Izay mahita taitra avokoa
Fa toy ny adala aho
Rehefa tsy tazana ianao

Hilamina ary tsy hankahia
Ny adiady kelim-pitia
Natao tsy hisy fery
Ilay hasambarana ho ahy sy ho anao

Izay lazainao no teny mamy ho ahy
Izay vohainao no idirako
Ho feno avokoa ireo banga taloha
Ho fiainam-baovao ihany koa
Satria olon-droa no handeha hiray fo
Tsy mety ho levona ilay fitia
Hilaozana avokoa ireo ditran'ny fo
Fifandeferana no ao aloha
Ho haiko ny hitaiza ny ao anatiko ao
Fa aina iray no natao ho anay roa

Comments (0)